Sport

Federasiona Malagasin’ny Basket-ball Vaovao lehibe enina karazana no nampitainy omaly


  • Alakamisy 13 Jona 2019

Vaovao lehibe enina karazana no nampitain’ny Federasiona Malagasin’ny Basket-ball notarihan’ny filohany, Ramaroson Jean Michel, teny amin’ny ANS Ampefiloha omaly alarobia 12 jona 2019.

 

 

1°-Nanohy ny fampivondronana an’ireo ekipam-pirenena lahy sy vavy hiatrika ny lalaon’ny nosy 2019 nanomboka tamin’ny sabotsy 08  jona teo ka hotronin’ilay mpanazatra senegaley sady “docteur en psychologie du sport” mandritra ny 15 andro ny taranja basikety Malagasy ary hotohizana hatramin’ny farany miaraka amin’ny fampivondronana hotarihin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena izany. Efa nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao 15 lahy sy 15 vavy hifantenana ny 28 ho lisitra raikitra.  2 °-Tafita hiatrika ny lalao Afrikanina hotontosaina any Maroc ny 19-31 aogositra 2019 izao ny ekipa nasionaly Malagasy basket 3 x 3 lahy sy vavy. Miandry ny fanapahan-kevitry ny Malagasy hatramin’ny 30 jona izao farafahatarany ry zareo Marokanina. 3°-Haroso ny fanatanterahana ny dingana faha-2 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka N1 A 2019 mba hahafahan’izay tompondaka hiatrika ny CCCOI dingana hahazoana mandray anjara amin’ny BAL  “Basket-ball Africa” izay Afroleague vaovao hiarahana miasa amin’ny NBA. 4°-Vita Sonia ny hiarahana miasa amin’ny NBA mandritra ny 4  taona amin’ny hananganana ligy manahaka ny NBA eny anivon’ny sekoly 30 eto Tanà hahazoany manome fiofanana ny tanora sy manolotra fitaovana samihafa. 5°-Hanatrika Kongresin’ny FIBA Africa ny 22sy 23 jona any Mali ny basikety Malagasy sady hanana kandidà  2 hatolotra hofidiana ho “Conseils de developpement” sy ho mpikamban’ny birao foibe.  6°-Ny ekipan’ny Mb2All Malagasy tohanan’ny FMBB no handray eto Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika taranja basikety eo amin’ny ekipa tompondaka sokajy vehivavy hotontosaina amin’ny novambra na desambra 2019.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT