Sport

Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra Amin’ny 2 jona ny fivoriambe


  • Sabotsy 05 Mey 2018

Taorian’ny lanonana tsotra, natao teny Isoraka foibe toerany, niarahabana sy nanoloran’ny FMF fankasitrahana ny Barea U 17 niatrika ny lalao Cjsoi tany Djibouti farany teo ka nahazoany ny medaly volafotsy no nanambaran’Atoa Doda

Andriamiasasoa filohany fa hotanterahina amin’ny 2 jona 2018 izao eto Analamanga ny fivoriamben’ny FMF taona 2018. Notoloran’ny Fmf lelavola 200.000 ariary avy ho fankaherezana azy  ireo  ny mpilalaon’ny Barea U 17. Nahazo ny anjarany manokana koa ireo mpanazatra sy ireo mpilalao mendrika indrindra tamin’iny fifaninanana baolina kitra Cjsoi 2018 iny izay saika mpilalao Malagasy avokoa izy rehetra. Mpampidi-baolina be indrindra nahafaty baolina 5 i Arnaud Rakotoniaina, irakiraka mendrika indrindra i André Todisoa, vodilaharana mendrika indrindra i Mamisoa ary mpitsara mendrika indrindra i Jean Marie Vianey.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT