Sport

Federasiona Malagasin’ny Atletisma Hanatanteraka Fivoriambe amin’ny sabotsy izao


  • Alarobia 29 Mey 2019

Hanatanteraka AGO “Fivoriambe ara-potoana” fanaony isan-taona eto Antananarivo amin’ny sabotsy 01jona 2019 izao ny Federasiona Malagasin’ny taranja Atletisma.

 

 

 Aorian’ny fanatanterahana ny fiadiana ny  ho tompondakan’i Madagasikara sokajy “Sénior toutes catégories” etsy amin’ny kianjan’Alarobia manomboka anio 29 sy  rahampitso 30 ary amin’ny zoma 31 mey  2019 izy io, handraisan’ny solontenan’ireo ligy miisa 13 eto amin’ny nosy anjara. Nambaran’ny Tale teknikan’ny FMA, Rakotomalala Tsiory fa havoakan’ny Federasiona amin’ny alin’ny 31 mey hifaranan’ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly ny lisitra ofisialin’ireo atleta  hisolotena antsika Malagasy any amin’ny Lalaon’ny nosy 2019. Hahatratra 30  ny isan’ireo atleta raha naminavina ho 50 isa ny FMA. Fantatra ihany koa fa i Mahatana Jean de La Croix no mpanazatra voatendry hitantana an’ireo atleta Malagasy miisa 13 hiatrika fiofanana any Sina mialoha ny handehanana any Maorisy. Nambarany fa anjaran’ny sokajy “Jeunes” indray no hiatrika fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny atletisma manomboka amin’ny alarobia 05 jona 2019 izao.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT