Sport

Federasiona Malagasin’ny ady totohondry Mpitsara sy mpanazatra 41 nahazo fiofanana


  • Alatsinainy 20 Septambra 2021

Mpitsara sy mpanazatra miisa 41 mirahalahy no nahazo fiofanana teo anivon’ny Federasionan’ny ady totohondry eto Madagasikara ny faran’ny herinandro teo.

Ny Akademiam-pirenena misahana ny fanatanjahantena sy ny Ministeran’ny tanora no nanome ny fiofanana, raha ny fikambanana HAFARI Malagasy tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina kosa no mpanohana ofisialy izany. Naharitra herinandro ny fiofanana izay nofaranana tamin’ny fizarana mari-pankasitrahana ka sady nisy ny teoria no nisy ihany koa ny fampiharana. Tanjona ny hahafahana manandratra avo ity taranja ara-panatanjahantena iray ity. Nambaran’ireo mpiofana nandritra izany fa tombony lehibe ho azy ireo ny fisian’izao fiofanana izao izay hitondra traikefa lehibe eo amin’ny fiainany ihany koa. Tsiahivina moa fa efa zanaka an-tranon-dRabarison Herimamy, filohan’ny federasionan’ny boxe ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy no sady filoha tale jeneralin’ny FITRAMA Rafanomezantsoa Jean Nirina. Ankoatra ny lafiny ara-pitaovana no manohana ara-bola ny federasiona ihany koa ny tenany.
 

Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT