Sport

Federasion’ny Fanatanjahantena an-tsekoly Naseho ampahibemaso tetsy Anosy ireo mpikambana


  • Sabotsy 03 Desambra 2016

Naseho ampahibemaso ho fantatry ny besinimaro omaly, tetsy amin’ny trano fivorian’ny MEN etsy Ampefiloha, ireo mpikambana hitantana ny rafitra Federasion’ny Fanatanjahantena an-tsekoly (Fédération Omnisports Scolaire de Madagascar).

 

Voafaritry ny lalàna lah. 97-014  tamin’ny 08 aogositra 1997 sy ny didim-panjakana lah 11368/2015 izy io, tarihan’Atoa Rasoloarison Njakatsirofo. Manana mpikambana mpitantana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena, minisiteran’ny fampianarana teknika sy fampianarana araka asa ary avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamambahoaka izy ity.   Efa tamin’ny taona 2015 io rafitra io no nitsangana ara-panjakana fa izao vao natolotra ampahibemaso. Famolavolana ireo ankizy mpianatra ho taninketsan’ny fanatanjahantena Malagasy no tena tanjona tamin’ny fananganana azy. Ho famerenana ny lazan’ny fanatanjahantena an-tsekoly nampisongadina atleta Malagasy maro no antony. 4 taona ny fotoam-piasan’ireo mpitantana ao aminy ary ny latsakemboka aloan’ny fikambanana “Association” isaky ny toeram-pianarana rehetra no loharanom-bolany. Mahaleotena tanteraka amin’ny lafiny rehetra ny fitantanana ao aminy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT