Sport

Federasion’ny Baolina kitra Malagasy Mandeha ny feo amin’izay mety handimby an’i Ahamad


  • Sabotsy 18 Martsa 2017

Na tsy nisy nanambara ofisialy ny mahamety ho kandidà azy hanolo ny toeran’ny filoha Ahmad izay lasa mpitantana ny CAF eo amin’ny fitantanana ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra aza ireo olona manodidina azy dia efa mandeha any ho any anaran-dRabekoto Raoul, Randriamiasasoa Doda

, Reboza Julien ary ny minisitra Rakotomamonjy Neypatraiky André izay samy mpikambana eo anivon’ny FMF avokoa. Ity minisitry ny « Postes, des Télécommunications et du Développement Numérique » ity noho ny zava-bitany teo amin’ny fanampiana ny tontolon’ny spaoro Malagasy tamin’ny nanampiany ara-teknika nivantana ny mpilalaon’ny Baolina kitra CJSOI Malagasy tany La Réunion tamin’ny taona 2014, ny nanampiany ara-tsaina sy ara-bola ny ekipa nasionalin’ny taranja atletisma tamin’ny volana jolay 2015 ary ny ekipa vehivavin’ny baolina kitra Malagasy niatrika ny lalao CJSOI taona 2016, no be mpankasitraka indrindra hitana io toerana io.

Ntsoavina Evariste






 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT