Sport

“Fast and Furious” – Mada : Ny alatsinain’ny Paska ny dingana voalohany


  • Alatsinainy 22 Martsa 2010

Fanatanjahantena mekanika, fialambolin’ny mpianakavy no haroson’ny Madavision mpikarakara ny “Fast and Furious” izay hiditra amin’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara hatao etsy amin’ny Marais Masay ny 5 aprily, alatsinain’ny Paska izao.

Sokajy tokana ihany no hifaninanana amin’izany dia ny latsaky 2 litatra tsy anavahana fiara. 150.000 Ariary ny loka ho an’izay laharana voalohany, 100.000 Ariary ny faharoa ary 50.000 Ariary ny fahatelo. Dingana efatra moa no hanamarika ny taom-pilalaovana amin’ity Fast and Furious ity ka izay tompondaka dia hahazo 1 tapitrisa ariary. Ankoatr’io fifaninanana ho an’ny sokajy -2 litatra io dia hisy koa ny ho an’ireo sokajy atmospherique sy turbo izay ahitana ny fiara 4x4 sy propulsion ary ny traction avant. Fa ny tena goavana ihany koa dia ny fifaninanana “King of Masay” izay hisokatra ho an’ny besinimaro ary izay mahazo in-telo miantoana ilay amboara lehibe natokana ho an’io “mpanjakan’i Masay” io no ho tompony tanteraka. Hanamarika ny fotoana hatrany koa ny Run Défi auto-moto, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara run scooter sy ireo fanentanana samihafa toy ny fifidianana sexy hotesse sy fampisehoana Hip Hop. 

Hery Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT