Sport

Fast and furious “King of Masay I” i Yu


  • Talata 06 Aprily 2010


Fialamboly vita ho an’ireo mpankafy ny fanatanjahantena mekanika ny “fast and furious” natao omaly alatsinain’ny Paska teo amin’ny lala-migodanan’i Masay. Andiany fahatelo ny fifaninanana omaly sady fanadinana ho an’ny Madavision mpikarakara miaraka amin’ny klioba AMA nahafahan’ny federasiona mitsara ny lafiny fikarakarana alohan’ny handraisan’izy ireo ny fikarakarana ireo fifaninanana ofisialy tafiditra amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny “run” fiara. “Efa nohatsaraina ny lafiny fiarovana ary nasiana “contre visite médicale” mihitsy ho an’ireo mpanamory hisorohana ny mety ho tsy fahasalamana na fandraisana zava-pisotro mahamamo”, hoy ny mpikarakara. Nampiavaka ity andiany voalohany nisantatra ny taona ity moa ny “king of Masay” izay fifaninanana mahavita fotoana tsara indrindra amin’ny fiara. Nandrombaka ity andiany voalohany ity i Yu nitondra Ford Cosworth nahavita ny fotoana tsara indrindra in-droa miantoana tamin’ny halaviran-dalana 400m tao anatin’ny 11’’720 sy 11’’992. Nahatratra maherin’ny 20 ireo nifaninana tamin’ny fiara ary 40 kosa ireo nifaninana tamin’ny scooter. Tazana teny an-toerana koa ny fifaninanana niendrika fampisehoana teo amin’ny moto matanjaka na ny boldor. Nandravaka ny hetsika ny fampisehoana haintso haintso sy ireo “sexy hostess” narantiranty teny antsefatsefan’ny hetsika teny. Hiditra amin’ny dingan’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara izany ny fifaninanana manaraka ho an’ny fiara amin’ny faran’ny volana mey ary mbola hisy dingana faharoa hafa hanamarika ity taom-pilalaovana ity.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT