Sport

Faravavy Aurelie Hamony ny lalao paralympiques any Tokyo ihany


  • Alarobia 25 Aogositra 2021

Niteraka resabe teto amintsika hatramin’ny omaly ny tsy fahafahan’i Faravavy Aurelie ilay vehivavy manana fahasembanana hiazo an’i Tokyo Japon,

tokony handray anjara amin’ilay lalao paralympiques natao nanomboka afak’omaly 24 aogositra ka hatramin’ny 05 septambra ho avy izao.Nitondra valin-kafatra avy hatrany tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Rtoa Rosa Rakotozafy izay nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ka nambarany tamin’izany fa tsy manao an-kilabao ny atleta manana fahasembanana velively ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Voalohany dia satria tsy olona vaovao eo amin'ny sehatry ny fitantanana ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena vaovao Mamod'Ali Hawel hoy izy ary tsy hanao zanak'ikala hafa ny mpisehatra indrindra ireo manana fahasembanana. Notsiahiviny moa fa noho ny fikorontanana teo anivon'ny sidina izay miovaova noho ny hamehana ara-pasahalamana sy ny resaka toerana eo amin'ny fiverenana tsy mbola azo no nahatonga ny fahataran'ny fandehanan'ireo delegasiona ireo izay tsy maintsy manana tapakila mandroso sy miverina.Efa natolotra azy ireo mialoha kosa ny fanamiana rehetra hoenti-miatrika izany lalao izany izay mbola manamafy hatrany ny fahavononany ny Ministera amin'ny fikarakarana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT