Fararanon’ny kitra teny Anosibe Zaivola

Nanome omby 2 sy ondry 5 ho firasainkina ny depiote Todisoa


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Mitohy ny fanohanan’ny solombavambahoaka ireo mpitia fanatanjahantena ao

amin’ny boriborintany faha-6 ao Ambohimanarina izay iadidiany. Fararanon-dalao indray mantsy ny faran’ny herinandro teny amin’ny Kianja Todisoa Anosibe Zaivola Ambohimanarina, ka nandritra io no nanolorany omby mifahy 2 sy ondry 5 ho an’ireo tanora sy « vétérans » ho amboara, nandritra ny lalao lehibe notanterahana teny an-toerana omaly. Sady nanolotra ireo amboara ny tenany no nandray anjara tamin'ny lalao teny ambony kianja. Tsy vao sambany tamin’ny fanohanana ny fanajantena notaon’ity depiote ity moa io, ankoatra ireo hetsika sosialy samihafa. « Izao no atao dia ho fanehoana ny firaisankin'ny mponina ety Ambohimanarina sy ny manodidina, sady fialam-boly no fitaizana vatana hialana amin’ny zava-mahadomelina », hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT