Faran’ny herinandro sy Pantekosta

Hiatrika lalao any ivelany ireo Barea zokiny sy zandriny


  • Alarobia 04 Jona 2025

Inoana fa ho afa-po tsara ireo mpankafy baolina kitra malagasy amin’io faran’ny herinandro

lavalava miaraka amin’ny fetin’ny pantekosta io satria dia lalao miisa 3 be izao no hifandimbiasan’ireo ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea zokiny sy zandriny ho katrohina. 3 andro misesy io, raha ny fandaharam-potoana voaray. Ny sabotsy 7 jona moa izany dia ny andro voalohany amin’ny fifaninanana rejionaly ho an’ireo ekipam-pirenena aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika dia ny COSAFA Cup 2024 izany. Hifanandrina amin’i Tanzania ireo solontena malagasy ao amin’ny vondrona C, amin’ny 7 ora hariva, ora eto Madagasikara. Ny alahady amin’ny 6 ora hariva kosa dia ireo Barea zokiny, tarihin’ny mpanazatra franko-portogey, Corentin Martins, no hifampitsapa amin’ny Léopards an-drizareo kaongoley na RDC any Frantsa. Ao anatin’ny fanomanan-tena hanohy ny fifanintsanana ho an’ny amboara eran-tany 2026 moa izany. Ny alatsinain’ny Pentekosta moa izany dia hiditra amin’ny andro faharoa indray ireo Barea manao COSAFA hiatrika an’i Eswatini. Amin’ny 4 ora tolakandro indray ny baolina eto. Andrasana nefa etsy ankilan’izay ny mikasika ny fampitàna mivantana amin’ny fahitalavim-pirenena izany rehetra izany eto an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray hatramin’ny omaly hatrany aloha.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT