Sport

Fantanjahantena an-tsekoly 2018 Efa vonona ny rehetra ho any Toliara


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Ho tanterahina any Toliara renivohitr’Atsimo Andrefana manomboka ny 28 septambra ka hatramin’ny 07 oktobra 2018 ho avy izao ny fiadiana ny andiany faha-2 amin’ny “Championnats nationaux du sport scolaire 2018”

 

 

 

 na andiany faha-25 amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly. Taranjam-panatanjahantena 5 no hifaninanan’ireo ankizy mpianatra amin’izany dia ny “Foot à 7” hoan’ny zazalahy sy zazavavy 12 sy 13 taona. Basikety baolina hoan’ny lahy sy vavy 14 sy 15 taona. Volley ball hoan’ny zatovolahy sy zatovovavy 16 sy 17 taona. Hand Ball hoan’ny zatovolahy sy zatovovavy 16 sy 17 taona ihany ary mbola hoan’ny lahy sy vavy 16 sy 17 taona ihany koa ny taranja fototra atletisma. Hanana solontena handray anjara amin’ity fifaninana ity avokoa, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny fanatanjahantena an-tsekoly, Njaka Tsirofo, ny Faritra 22 eto Madagasikara izay efa samy nahavita ny fifaninanana rejionaly tao aminy avokoa.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT