Sport

Fanomanana ny fifanintsanan’ny CAN 2024 Hiatrika fifaninanana any Maroc ny Barea


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Taorian'ny fanapahan-kevitry ny Komity mpanatanteraka eto anivon'ny Federasionina Malagasy misahana ny taranja baolina kitra na ny FMF,

izay nahazoana fankatoavana tamin’ny FIFA sy ny CAF dia tapaka fa handray anjara amin’ny fifaninanana "Maroc, capitale du football africain" i Madagasikara. Hatao mandritra ny “Fenêtre Fifa” ny 19 hatramin'ny 27 septambra izao any Maroc, ka any Rabat sy Casablanca no hizoran’ny lalao. Ekipam-pirenena 12 no hifanandrina amin’izany, izay ho fantatra miandalana satria mbola tsy nivoaka tamin’ny fomba ofisialy hoe iza avy ireo. Ny 23 na ny 24 septambra no hisy ny lalao miendrika manasa-dàlana, ny 27 septambra ny famaranana na fiadian-toerana arakaraka ny vokatra azo. Angady nananana sy vy nahitana izao fanomanana ho an’ny BArea izao ny FIFA. Hamoaka tsy ho ela ny lisitry ny mpilalao 24 izay handray anjara amin’io fampivondronana ny mpanazatra Nicolas Dupuis, izay efa namoaka anarana 40 hisafidianana azy ireo. Isan’ny soso-kevitra naroson’io mpanazatra io moa ny hanaovana lalao ara-pirahalahiana amin’I Mali sy Moldavie taorian’ny nahavotsotra ny lalao amin’i Zambie sy Lybie, saingy naman’ny votsotra avokoa. Tsara ny manamarika fa nihemotra ny lalao amin’ny andro fahatelo sy fahaefatra eo amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2024 tokony hihaonantsika amin’I Centrafrique amin’ny volana septambra, ka any amin’ny martsa 2023 indray vao mety ho tanteraka. Ny CAN rahateo nihemotra ho ny fiandohan’ny 2024 raha tokony ho ny taona 2023. Tsiahivina hatrany fa moa fa laharana fahaefatra farany vonjimaika isika ao anatin’ny Vondrona E taorin’ny nandavoan’I Ghana 3-0 ny Barea sy ny ady sahala 1-1 tamin’I Angola.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT