Sport

Fanomanana ny fifanintsanan’ny CAN 2023 Mbola mitady mpifanandrina ny Barea


  • Talata 23 Aogositra 2022

Mitady izay ho mpifanandrina aminy ny Barean’i Madagasikara tantanan’i Nicolas Dupuis eo anatrehan’ny fidirana amin’ny “fenêtre internationale” ny volana septambra izao ahafahana miatrika lalao ara-pirahalahiana hanomanana ny lalao kaontinantaly.

Foana mantsy hatreto ny lalao ara-pirahalahiana tokony hifanandrinana amin’I Zambie sy Lybie, raha ny fanambarana nataon’ny mpanazatra Nicolas Dupuis, araka ny notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Noheverina hotanterahina tany Lybie ireo lalao ara-pirahalahiana miisa roa saika hotanterahina. Etsy ankilany, nanomboka ny herinandro lasa teo no nanao fivoriana teknika ny Federasionina tarihin’ny Filoha vonjimaika Victorien Andrianony. Ho an’ny federasionina, pitsopitsony maro no mila jerena amin’ny lalao ara-pirahalahiana hatao toy ny fahafaha-manatanteraka ny lalao, ny lentan’ny ekipa hifanandrinanana. Raha hanao lalao ara-pirahalahiana tokoa isika, dia mitady mpifanandrina mafy kokoa, ka lalao roa no heverina fa hatao hatreto, kanefa mety ho iray ihany koa arakaraka ny zava-misy. Isan’ny manampy an’I Madagasikara amin’ny fanomanana lalao ara-pirahalahiana ny Kaonfederasionina Afrikanina (CAF), ary efa nanolo-kevitra momba izay tokony ho mpifanandrina amintsika. Tsara hatrany ny manamarika sy mampahatsiahy, fa laharana fahaefatra vonjimaika ao anatin’ny Vondrona E isika amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny CAN 2023 taorian’ny faharesena 3-0 nanoloana an’I Ghana tany Accra sy ny 1-1 tamin’I Angola tetsy Mahamasina. Ny 19 septambra 2022 raha tsy misy ny fiovana no handray an’i Centrafrique ho an’ny andro fahatelo, ary ny 27 septambra kosa ny lalao miverina any aminy, raha toa ka ny volana martsa 2023 kosa ny lalao miverina amin’I Ghana sy Angola.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT