Sport

Fanomanana ny CHAN Efa any Tonizia hanao lalao fitsapana ny Barea A’


  • Alarobia 04 Janoary 2023

Nanao fanazaran-tena voalohany ny ekipam-pirenena Malagasy Barea A’ tarihin’ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe sy ny ekipany omaly.

Efa any Tonizia izy ireo izay hiatrika lalao fitsapana ho fanomanan-tena mialohan’ny tena hiatrehana ny CHAN 2023 hatao any Algérie ny 13 janoary hatramin’ny 4 febroary. Mialohan’izay anefa, hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny diables rouges ekipam-pirenen’I Congo Brazzaville sy ny Mena an’I Soudan isika ny zoma 6 janoary izao sy ny alatsinainy 9 janoary, mialohan’ny tena ady. Sambany tafiakatra amin’ny CHAN isika, ary henjakenjana ny lalao miandry. Ekipam-pirenena 18 no mandray anjara, ka iray vondrona amin’i Maroc, Ghana, ary Soudan ny Barean’I Madagasikara. Ny 15 janoary ny lalao voalohany ho antsika hifandonana amin’i Ghana ary ny 19 janoary kosa hifampitady amin’i Maroc, ary any amin’ny 23 janoary dia hifandona amin’i Soudan.


Raha ny vaovao omaly, mety tsy ho isan'ny hiatrika ny CHAN hiaro ny anaram-boninahitra tompondaka izay eo am-pelatanany i Maroc. Antony ny lonilony eo aminy sy Algérie, mety tsy hisokatra ho azy ny sisin-tany, na koa hanapa-kevitra tsy handeha mihitsy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT