Sport

Fanomanana ny CAN 2019 Barea Madagascar 3-3 Luxembourg


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Nirava ady sahala 3-3 ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Luxembourg teo amin’ny lalaom-pirahalahiana fanomanan-tenan’ny ekipa Malagasy hiatrika ny CAN 2019 hotontosaina any Egypte manomboka amin’ny volana jona izao.

 

 

Ry zareo Luxembourgeois no nahafaty baolina voalohany tany amin’ny 2 minitra nanombohan’ny lalao tamin’ny alalan’i Vincent Thill ary nosahalain’i Voavy Paulin teo amin’ny minitra faha-35. 2-1 no isa nentin’ny roa tonta niala sasatra rehefa nahatafiditra penality iray teo amin’ny minitra faha-37 i Faneva Ima. Efa nitarika 3  no ho 1 ny Barea hatreo amin’ny faha-90 minitra  raha nahatafiditra baolina  fanintelony teo amin’ny minitra faha-62 i Carolus saingy nosahalain’i Luxembourg 3-3 tao anatin’ny fanampin’ora 90 +1 (Vahid Selimovic) sy 90+2 (Laurent Jans).

 

 Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT