Sport

Fanomanana ireo taniketsan’ny lomano Tontosa tetsy amin’ny ESCA ny “Interclasse 2023”


  • Alatsinainy 03 Aprily 2023

Tontosa ny sabotsy teo tetsy amin’ny dobo filomanosana etsy amin’ny ESCA Antanimena ny fifaninanana “Interclasse 2023”

eo amin’ny taranja lomano izay nokarakarain-drizareo eo anivon’ny klioban’izany ao amin’ity vondrom-panabeazana Katolika ity. Ny hivondronan’ireo mpianatra aloha no isan’ny tanjona, hoy ny filohan’ny klioba, Olivia Rakoto. Fotoana iray hankasitrahana ireo mpianatra noho ny ezaka nataon’izy ireo nandritry ny taom-pianarana ihany koa. Fotoana ho an’ny klioba koa hifantenana ireo ankizy mendrika ny hisolotena ny klioba amin’ireo fifaninanana amin’ny klioba hafa na koa ny fifaninanana eo anivon’ny federasionina sy ny ligy. Omena medaly sy loka avy amin’ireo mpanohana, noho izany, ny 3 voalohany amin’izao fifaninanana izao. Manomboka amin’ny garabola ka hatramin’ny kilasy famaranana, eny, ireo mpianatra amin’ny ambaratonga ambony no mandray anjara. Eo amin’ny 5 hatramin’ny 21 taona eo izany no salan-taona. Miisa 23 hatreto ireo ankizy hita fa mahafeno ny fepetra ary nantsoina hanatevin-daharana ny klioban’ny lomano ato amin’ny ESCA. Efa manana “licence” avokoa ireo, noho izany. Ho tontosaina any Toamasina ny 12, 13, 14, 15 aprily izao ny tompondakan’I Madagasikara eo amin’ny taranja lomano dia mandray anjara ny klioban’I ESCA, hoy hatrany I Olivia Rakoto, nanamafy ny maha zava-dehibe ny fanomanana ireo taninketsan’ny taranja lomano toy izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT