Sport

Fanomanana CHAN 2023 Montsan’ny Barea 3 noho 0 ny avy atsy La Réunion


  • Alatsinainy 19 Desambra 2022

Montsan’ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra na ny Barea izay hiatrika ny tompondakan’i Afrika na CHAN

atao any Alzeria amin’ny taona hoavy tamin’ny isa 3 noho 0 ny ekipa voafantina ahitana malagasy sy vahiny milalao ao La Réunion ny sabotsy teo nandritry ny lalao ara-pirahalahiana sy fanomanan-tena nataon’izy ireo tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Manatsara ny moralin'ny Barea iny vokatra iny, hoy ny mpamakafaka fanatanjahantena, Rado Rakotomalala. Samy manana ny tanjony anefa ny mpilalao andaniny sy ankilany amin’ireny, hoy izy. Ho an'ny avy any Réunion dia ny ho hitan'ny mpanazatran'ny ekipa nasionaly mitondra ny Barea manao CAN. Ho an'ny mpilalao avy eto an-toerana dia miady ho voatazona anaty lisitra farany ho any Alzeria amin'ny CHAN 2022 sy ho hitan'ny mpanazatran'ny ekipa nasionaly mitondra ny Barea manao CAN. Mialohan'ny 25 desambra 2022 no hahitana hoe iza no nahatratra ny tanjona amin'ny Barea hanao CHAN. Amin'ny martsa 2023 isika mahita hoe iza tamin'izy ireo no nahatratra ny tanjona momba ny fifanintsanana CAN fa raha hiverenana ny lalao dia nanana herim-batana na "condition physique" tsara kokoa ny Barea. Nampihatra ny hafainganany ihany koa. Misy hatrany ny lesoka mila harenina ary dia manana 4 herinandro ny mpanazatra hanitsiana izany, miampy ny lalao ara-pirahalahiana miisa 3 hotanterahina any Tonizia araky ny fandaharam-potoanan'ny FMF, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT