Sport

Fanomanan-tenan’ny Ivoirianina Avo roa heny amin’ny an’ny Barea


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Tsy matin-drizareo ivoirianina lolo mihitsy ny faharesena nihatra taminy nanoloana ny ekipam-pirenen’i Etiopia 2 noho 1 farany teo nandritry ny andro

 

 

faharoa amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2022 eo amin’ny taranja baolina kitra. Mba tsy handisoana fanantenana ny mpanohana ny Elefanta dia tsy ataon’izy ireo ambanin-javatra ny andro fahatelo sy fahaefatra hifandonan’i Cote d’Ivoire sy ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny volana novambra. Avo roa heny amin’ny an’ny Barea, raha kely indrindra, ny fanomanan-tenan’ny Elefanta. Lalao hifanandrinana amina ekipam-pirenena goavana miisa 2 ankehitriny no ao anaty alimanakany. Lalao ara-pirahalahiana hifanandrinana amin’i Belzika ny 8 oktobra izao ao amin’ny kianjan’ny Roi Baudoin, Bruxelle. Amin’i Japon kosa ny faharoa ao amin’ny kianjan’i Galgenwaard d'Utrecht, Pays-Bas. Ny 5 oktobra izao kosa ilay mpanazatra frantsay vaovaon’izy ireo, Patrice Baumelle, izay voatendry ny volana martsa teo no hanomboka ny famondronana ao Bruxelle. Tsy manarina iny faharesena ny 19 novambra 2019 iny izahay, hoy ry Serge Aurier sy ny ekipany. Tsy mitsitsy ny lany izany ny an’olona ny federasionina saingy mampametram-panontaniana kosa ny eto hoe nankaiza ny fanampiana avy amin’ny FIFA sy CAF rehetra na dia ilay hoe hampandehanan-draharaha ato anaty fahamehana fotsiny aza ?

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT