Sport

Fanomanan-tenan’ny Barea Tsy any Luxembourg ny seraseran’ny FMF


  • Alakamisy 08 Oktobra 2020

Hatramin’ny omaly aloha, izay andro faharoa nahatongavan’ireo mpilalaon’ny Barea ao Luxembourg, dia tsy misy ny solontena mpiandraikitra ny seraseran'ny federasionina Malagasin’ny baolina kitra na FMF any an-toerana,

 

 raha ny fampitam-baovao voaray. Ireo mpilalao sy mpanazatra ihany araka izany no mampahafantatra araka izay azony atao ny ambiansy sy ny zava-misy any an-toerana momba izay fanomanan-tena izay. Ho an’ny tapany maraina omaly, ohatra, taorian’ny fiaraha-misakafo dia niroso tamin’ny fifankazarana na “séance collective” sy ny kotrana manokana toy ny “séance individuels" sy “condition physique” ireo mpilalao. Hionona amin’ilay fiheverana azy ity ho raharaham-panjakana fotsiny tokoa ve izany ny FMF sa inona no tena mba andraikiny amin’ny maha federasionina azy? Dia tena tsy misy azony atao ankoatry ny fandaminana lalao toy ny resaka tapakila sy toerana anaty kianja fotsiny tokoa ve ?

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT