Sport

Fanomanan-tena amin’ny Lalaon’ny nosy


  • Zoma 17 Martsa 2023

Mahatsiaro atao ankilabao tanteraka ny ady totohondry

Manomboka ny 2 mey indray izahay no hanao ny fampivondronana, hoy ny filohan’ny federasionin’ny taranja ady totohondry, Hery Mamy Rabarisoa. Efa mihetsika amin’ny fanomanana manokana avy na izany aza, hoy izy, ny ligy rehetra. Mbola tsy misy ny fampivondronana ataon’ny fanjakana. Vola am-paosin’ny filohan’ny federasionina, noho izany, no miantoka ny fampivondronana ireo izay hanao izany. Mifanao tsipaipaika eo izahay. Ny 2 hatramin’ny 14 may indray izahay hanao fampivondronana eto Antananarivo. Olona 4 isan-tsokajy no hiakatra eo, izany hoe 60 isa mahery any. 2 amin’ireo indray avy eo no tafajanona. Matoa tsy tafajanona dia tsy mahafa-po ny tekinisianina izany. Tsy manana fitaovana izahay fa ny atleta no samy mitondra. Itanareo mpanao gazety tsara io ringanay io. Any amin’ny fiodinana faharoa na “2nd round” dia efa mianjera io ringa io. Atahorana sao haratra izany ny atleta. Izany no olana ato izany. Tsy misy manana ringa afa-tsy io ringanay io anefa eto amin’ity Antananarivo ity. Io koa no manana fenitra iraisampirenena fa ny any amin’ny faritra kely noho io. Miantso avo amin’ny fanjakana izahay hoe mba hataovy amin’izay re ny fampivondronana ataonareo fanjakana! Izahay “boxe” tsy mba nandeha tany ivelany fa ny tekinisianina teto ihany no nikarakara. Efa izany mbola misy fingapingana ataon’ny sasany samy ato koa. Ny tanjonay na izany aza apetrakay hoe tsy maintsy mahazo medaly ny 95%n’ny handray anjara amin’io lalaon’ny nosy amin’ny volana aogositra io. Sokajy miisa 13 ny lehilahy ary 12 ny vehivavy amin’io. Sokajy 2 vehivavy ihany no tsy ananantsika dia ny 75 sy 80 kilao. Mbola miezaka mitady anefa izahay hatramin’izao. Miankina amin’ny sokajy ananan’ireo nosy rahavavy koa anefa io. Hiady izahay ary manana spaikadytratejia itondrana ny fanomanantena na dia anatin’io fotoana fohy kely io aza, hoy hatrany ny filohan’ny federasionina izay mahatsiaro ho ankilabao tanteraka.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT