Niteraka resabe tokoa ny tranga iray nanamarika ny fanolorana amboara atleta malagasy nahazo medaly volamena tamin’ny atletisma ny talata hariva teo.
Nosintonin’ny tomponandraikitry ny arofenitra tsy nisy fanajana teny an-tanan’io atlela Malagasy io mantsy ny sainam-pirenena saika isalorany. Tsy ela taorian’io anefa ny mahorey telo voalohany tamin’ny fanipiazana lefona dia nisalotra saina teny ambony lampihazo. Nahasorena ny maro mihitsy koa ny fanapahan-kevitra tsy nihirana ny hiram-pirenena ho an’ireo mahazo medaly volamena. Tany amin’ny fifaninanana hafa toy ny judo anefa dia mbola nohiraina tamin’io andro io ny hiram-pirenena ary niravaka saina ireo mpandresy. Tsy tana fa lasa ireo mpijery mpanohana indray no manao ny hiram-pirenena raha ny hira fanevan’ny Lalao no nasolon’ny mpikarakara izany.
Judo : Nisalotra medaly volamena i Brenda
Nandritra ny andro fah-2 omaly vao nahazo medaly volamena tokana i Madagasikara tamin’ny fifaninanana judo tamin’ny alalan’i Brenda Valerie, sokajy -57kg vehivavy, tao amin’ny Dojo Regional ao St Denis. Mpikatroka telo mianadahy kosa no lavo tamin’ny famaranana ka niravaka ny volafotsy dia i Nazir Bin Abdou sokajy -60kg lehilahy, Tatiana sokajy -48kg vehivavy ary Mihanta sokajy -52kg vehivavy. Ankoatra ireo dia mbola nisy alimo roa tamin’ny alalan’i Royal sokajy -73kg lehilahy sy Nadi -66kg lehilahy. Ny isan-tarika moa no hamarana ny fifaninanana amin’ny judo.
Baskety : Nomontsanin-dry Ange koa ny maorisianina
Nitohy ny fahombizan’ny ekipa Malagasy vehivavy. Taorian’ny nanamontsanan-dry Ange ny ekipa mahorey ny talata teo dia nahazo ny anjarany koa omaly tao amin’ny kianja mitafon’ny “Complexe sportif municipal” ao le Port ny maorisianina izay niondrika tamin’ny isa 83-43.
Atletisma: Nisalotra volamenan’ny dia an-tongotra i Théophile
Norombahan’i Madagasikara ny medaly volamena tamin’ny dia an-tongotra 10 000m tamin’ny alalan-dRamaroson Theophile (57:36:76). Medaly alimo kosa no azon’i Eliane Saholinirina tamin’ny 800m (2:0:8:01) taorian’ilay renioney Clorate Pamela (2:05:29) sy ilay maorisianina Lascar Marie (2:07:28). Medaly alimo koa no azo tamin’ny 4x100m vehivavy taorian’i Maorisy sy la Réunion.
Ali Kame: Naratra teo am-piatrehana ny 110m misy fefy
Voatery niala an-daharana i Ali Kame omaly maraina taorian’ny ratra nahazo ny tongony an-kavia tamin’ny fiatrehany ny fifaninanana fah-6, ny hazakazaka 110m misy fefy amin’ny decathlon. Noraofin’ny ‘ambulance” avy hatrany ary notsaboina sy nozairina tany amin’ny hopitaly mihitsy moa ny ilan’ny tampon-tongony an-kavia. Marihina anefa fa nanaraka akaiky ilay renioney Gado Ruben hatrany i Ali Kame.
Kitra : Hanao manasa-dalana amin’i renioney ny Barea anio
Hita ho maivamaivana tokoa ny Barea lehilahy taorian’ny nahazoany ny tapakilan’ny manasa-dalana izay hatao anio. Hifandona amin’i Madagasikara amin’io ankatoky ny famaranana io moa i la Reunion mpampiantrano izay lah-1 tao amin’ny vondrona an-kilany. Raha tafavoaka eo ny Barea dia hiady ny medaly volamena amin’izay mandresy amin’ny manasa-dalan’i Maorisy sy Mayotte ny sabotsy izao.
Biskileta : Niady gisitra ireo mpihazakazaka malagasy
Ny « Contre la montre individuel » nirefy 20km nampitohy an’i St Gilles sy St Paul no nanamarika ny fifaninanana tamin’ny hazakazaka am-biskileta omaly. Lah-14 no vokatra malagasy tsara indrindra izay nisy an’i Miarantsoa Njakatiana Dama, fah-6 Hasina, fah-18 Ravoatabia ary fah-19 farany i Emile. Reunioney kosa no nahazo ny volamena dia i Chamand Emmanuel, ary maorisianina no nisalotra ny volafotsy sy alimo, Lincoln sy Rabaye Andre.
Delegasiona taraiky : In-droa niverin-dalana
Telo andro tsy hifaranan’ny Lalaon’ny Nosy any La Reunion dia mbola misy delegasiona taraiky tokony handeha fa tsy mety lasa. Ny talata hariva teo dia nisy andiany tokony nandeha rehefa nahazo ny famindram-pon’ny prefektora any la Reunion ny talata maraina saingy tsy lasa indray vokatry ny fanafoanana ny sidina noho ny antony ara-teknika. Ity andiany ity dia ahitana olona 18 ka ny 12 dia mpanazatra sy atleta ary mpitsara amin’ny taranja lomano, baolina kitra, ady totohondry, handisport, bisikileta, tenisy ambony latabatra ary atletisma. Mpanao gazety enina kosa no manampy azy ireo. Mbola tokony ho nanainga omaly alarobia hariva indray izy ireo fa mbola foana hatrany ny sidina. Mbola misy mpanao gazety folo hafa aza mbola niezaka ny haka “visa” ny alatsinainy teo fa tsy voaray ary nitady hirika ahazoana “visa” miditra any la Reunion fa tsy nisy nahavaha intsony ny olana.
Lany andro niandry vasoka ny ankamaroan’ireo delegasiona faramparany
Lay voy lakana: Tsy hita tabilao ireo malagasy
Hita fa tsy mbola afa-manoatra loatra isika malagasy mihoatra amin’ireo mpilay avy amin’ny nosy manodidina amin’ny fifaninanana lay voy lakana. Zara raha tafiditra amin’ny fiharana isaky ny fifaninanana atao mantsy ireo solontena malagasy. Gisitra mihitsy izy ireo tamin’ny fifaninanana “Laser 4,7” lehilahy omaly tany amin’ny Base nautique des Mascareignes, le Port dia Razakandrianirina Elias sy Aime Jean-Claude, tamin’ireo mpifaninana 11 nandray fiaingana. Mbola lavitrezaka ny mpilay malagasy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.