Fanoloran-tena tamin’ny Lalaon'ny Nosy

Mbola tsy naverina ny saran’ny tapakilan'i Dina R.


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

Nahazo vokatra tsara ny tennis malagasy nandritra ny Lalaon'ny Nosy indrindra teo amin'ny vehivavy nanaovan'i Mialy Ranaivo

poa-droa niaraka tamin'i Mitia Voavy. I Toky Ranaivo indray dia resin'ilay Frantsay Florent Bax. Raha tsorina dia tsara ny vokatra ary isan'ny angady nananana izany ny mpanazatra Dina Razafimahatratra izy mipetraka any Afrika. Any Libreville no marimarina kokoa fa noho ny fiangavian'ny federasiona dia tonga izy. Ary tsy hoe tonga fotsiny fa mbola nahazo fampanantenana tamin'ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fa ho azony ny vidin'ny tapakila nandehanany taty. Saingy tsy i Lalatiana Rakotondrazafy moa no miandraikitra izany fa i Rosa Rakotozafy izay Tale mpanatanteraka ny Lalaon'ny Nosy dia tsy azo ohatra ny volan'i Dolys Randriamarohaja io ka mahatonga ny tsipy kanetibe ho voasazy. Hanainga hody anio moa i Dina Razafimahatratra ka mety tsy ho azony intsony ny 660 000 Franc CFA nandoavany ny tapakilan'ny fiaramanidina. Ny amin'ny sisa no tsy atao intsony, hoy i Dina nitsiky satria tonga mba hanavotra ny tennis sy Madagasikara.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT