Sport

Fanokafana ny taom-pilalaovana ASIEF 2019 Ny « Grande Marche » no hanombohana azy


  • Zoma 05 Aprily 2019

Hosokafana ofisialy amin’ny sabotsy 06 aprily ho avy izao ny taom-pilalaovan’ny ASIEF « Association Sportive Interministérielle pour l'Entretien des Fonctionnaires ».

 

 Ny diaben’ireo mpiasam-panjakana « Grande Marche » miainga eo amin’ny tranombokim-pirenena ny maraina mihazo ny kianja mitafon’i Mahamasina no hanombohana azy arahina hetsika fanentanana isan-tsokajiny sy kabary ataon’ny manampahefana isan-tsokajiny ary ahitana koa lalao fihantsiana « match de défi » basikety  hifanandrinan’ny Santé sy ny Défense ary ny volley-Ball hikatrohan’ny Trésor sy Sénat. Hifandraika indrindra amin’ny fanamarihana ny « Journée Internationale du Sport au Service du developpement et de la Paix » izy ity. Hisy koa ny hetsika maromaro hokarakarain’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy ao anatiny. Nomarihan’Atoa  Andrianarison Jean Aimé Botosera “Jhon Love” filoha am-perinasan’ny ASIEF fa miditra amin’ny fifaninanana karakarain-dry zareo amin’ity  ankoatra an’ireo efa nisy hatramin’izay ny “belote”, kabary, “jeux d’échec”, fanorona, fifaninanana Vtt. Hisy koa ny fifaninanana “beach soccer” sy “volley beach” ary “hand beach” hampidirina amin’ny fifaninanana.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT