Sport

Fanohanana ny tanora ao Mahereza Fanamiana miisa 150 sy baolina 13 no natolotra


  • Alarobia 22 Septambra 2021

Ho fanohanana ny tanora amin’ny fanatanjahantena dia notoloran’ny Kaominin’i Mahereza fanamiana na « maillots » miisa 150 sy baolina miisa 13 ireo tanora manerana ny Fokontany miisa 7

 mandrafitra ny kaominina ny faran’ny herinandro teo. Nitarika izany ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Mamy Rabenandrasana. Vory lanona tamin’io fotoana io araka izany ireo tanoran’ny kaominina. Tanjona, hoy hatrany ny fampitam-baovao, ny hampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny baolina kitra ao amin’ny kaominina sy ny hampiroboroboana ny fialamboly ho an’ny tanora. Iaraha-mahalala fa ny baolina kitra no fialamboly tena ankafizin’ny tanora eny ambanivohitra ka ho famaliana ny hetahetan’izy ireo izao fanohanana ara-pitaovana izao, hoy hatrany ny ben’ny tanàna. Ankoatry ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny fialamboly dia tanjona koa ny fampiroboroboana ny baolina kitra ho fitaizàna ny tanora mba hivoizana ny firaisankina sy fihavanana ary fifanajana, hoy izy. Mbola tsy nisy fanohanana ny mpilalao baolina manerana ny fokontany rehetra tahak’izao teto amin’ny kaominina hatramin’ny nahatsiarovako tena, hoy ny solontenan’ireo tanora. Hirariana ny hitohizan’izao, hoy kosa ny solontenan’ireo ray aman-dreny, satria lasa midonanàm-poana sy midoroka zava-maha domelina ny tanora rehefa tsy misy fialamboly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT