Sport

Fanohanana ny kitra eny Anosibe Zaivola


  • Talata 30 Mey 2023

Nonolotra omby 3 sy ondry 8 i Depiote Todisoa

Ambohipihaonan’ireo mpitia fanatanjahatena sy ny vahoakan’ny Boriborintany fahaenina ny teny amin’ny Kianjan’i Todisoa - Anosibe Zaivola Ambohimanarina ny faran’ny herinandro teo. Betsaka tanora amin’ireo tanora eo anivon’ity Boriborintany ity no tia fanatanjahatena indrindra fa ny baolina kitra, ka nisy fanolorana omby miisa 3 sy ondry miisa 8 nataon’ny Depiote Todisoa Andriamampandry ho fanohanana sy fandrisihana hatrany ireo tanora mpiangaly io taranja io. Tao anatin’ny vanim-potoana nankalazana ny pantekoty ihany koa moa io, ka dia omby sy ondry izany no fanomezana avy amin’ity olom-boafidy ity ho an’ireo tanora mpitia kitra ao anatin’ny faritra iadidiany, ankoatra ireo asa sosialy hafa toy ny làlana, “cours” maimaimpoana,… Isan’ireo mpitarika tanora eny an-toerana hatramin’izay rahateo ity depiote ity sady mpilalao baolina kitra, ka manamafy hatrany ny fanohanany izay tsy vao sambany fa efa fanaony hatrizay. “Mitohy ny asa sosialy, manohana hatrany ny tanora sy fanantanjahantena ary mankasitraka ny mpandray anjara rehetra ary indrindra ireo mpiara-miasa”, hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT