Fanohanana ny Barea any Kenya

Hisy fiaramanidina, antsasa-bidin’ny tapakila no aloa


  • Alarobia 27 Aogositra 2025

Namoaka fanambarana ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly

taorian’ny fahatafitan’ny Barea amin’ny famaranan’ny CHAN 2025, fa hisy sidina manokana karakarain’ny fanjakana malagasy ho an’ireo mpanohana ny Barea, hanatrika ny lalao any Kenya. « Ilay ny mifanohana satria ny baolina kitra no mampiray. Ireo rehetra izay hanohana ny Barea amin’ny famaranana atao any Kenya, dia azo atao tsara ny misoratra anarana, arindra ny fandehanan’ireo rehetra handeha hiatrika ny famaranana, ny antsasa-bidin’ny tapakilan’ny fiaramanidina dia ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny fanatanjahantena no hiantoka azy miaraka amin’ny Visa tsy misy sakantsakana. Nilaza moa i Andry Rajoelina, fa sambany tafakatra amin’ny famaranana isika, ka misaotra ny Barea niady hatramin’ny farany. Zavatra manokana sy goavana, manoratra tantara vaovao eo amin’ny baolina kitra. Zava-dehibe ny finiavana, fa irariana tsy ho japiana na hatao fitaovana hampalazana tena ara-politika indray.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT