Sport

Fanohanana ny Barea any Egypta Hiampy ny fiaramanidina hitatitra …


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Raha ny vaovao farany halina dia efa feno ny toerana 400 mahery ao anatin’ilay fiaramanidina goavambe Airbus A 380 ka hisy fiaramanidina fanampiny hitondra ireo

 

 

 tsy tafiditra ka hihazo an’i Egypta ny sabotsy alina izao mba hijery ny lalaon’ny Barea izay hifanandrina amin’ny Repoblika demokratikan’i Congo ny alahady 7 jolay ho avy izao.

Nirohotra ny olona

Omaly maraina ihany dia efa raikitra ny filaharambe teny amin’ny manoloana ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Air Madagascar Analakely  taorian’ny fanambarana nataon’ny fitondram-panjakana fa hisy ny sidina manokana amin’ny sarany mirary mankany Egypta amin’ny sabotsy izao. Nampiseho fahavononana ireo olom-pirenena hanjifa ireo tapakila, tsy maintsy mbola niandry ireo tompon’andraikitry ny Air Madagascar ny amin’ny fandaminana tsy maintsy natao ka izay no nahatonga filaharana sy fitangoronana ka niteraka fahasorenana. Betsaka mantsy ny feo mandeha fa efa tapitra ireo tapakila, ka niroaroa saina ireo mbola nilahatra.Nandeha ihany koa ny serasera fa mpilalao baolina kitra Malagasy fahiny izay manana ny toerany teto amintsika tamin’ny fotoan’androny no anisan’ireo efa namandrika toerana ireo miampy ireo ankizy tezaina ao amin’ny Akamasoa. Lasa niteraka fahasosorana ho an’ny olona efa nilahatra nandritra ny 6 ora ny teny amin’ny Air Madagascar Analakely omaly noho ny fanjavozavoan’ny fandaminana. Nanamarika ny avy ao amin’ny Air Madagascar fa ny Prezidansa no tompon-kevitra sy tokony hanao ny fandaminana fa ny mitatitra ny mpandeha no anjaran’ny Air Madagascar. Efa niroso ihany moa omaly tolakandro ny fandraisana ireo te ho any Egypta , ary dia re fa hanampy fiaramanidina iray hafa ny fitondram-panjakana mba hitaterana ireo olona nisoratraanarana sy vonona handoa ilay 2,2 tapitrisa ariary mba hijery ny Barea milalao sy hanohana azy ireo.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT