Fanohanana ho an’ny Barea

Namaivanin’ny FMF tolo-tanan’i Faneva IMA


  • Alatsinainy 25 Aogositra 2025

Nampahafantatra ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra na FMF ny sabotsy

teo fa efa nivonona tamin'ny zavatra rehetra amin'ity fandraisana anjaran'i Madagasikara amin’ny CHAN 2024 na tompondakan’i Afrika ity. Anisan'izany ny fitaovana ampiasaina amin’ny "récupération" famerenana hery ho an’ireo mpilalao, hoy ny fampitàm-baovao, ary efa nampiasaina avokoa izany nahatongavantsika amin’izao dingana izao. Somary nanaitra ny mpanara-baovao ara-panatanjahantena, tetsy ankilany, ny tsindrim-peo namarana izany fampahafantarana izany izay nanao hoe «fa isaorana ihany i Andriatsima Faneva amin’ny finiavany». Nampametra-panontaniana ny maro ilay hoe «isaorana ihany». Voambolana izay mifono fanamaivanana, rehefa alalinina ny heviteny an-davan’andron’ny malagasy, hoy ireo mpahaiteny. Hita ho namaivanin’ny FMF, araka izany, ny tolo-tanana avy amin’ity kapitenin’ny ekipam-pirenena teo aloha ity ho an’ireto mahery fon’ny firenena mandray anjara amin’ny CHAN ireto. Ho kosehina anatin’ny tantaran’ny baolina kitra malagasy ve izany ny ezaka nataon’ireo tarika na «génération» an’ny Barea niady ny amboaran’i Afrika na CAN 2019, indrindra, ireo nijoroan’ireo mpilalao tamin’izany toa an’ity lohalaharana malagasy teo aloha ity sy Voavy Paulin vao tsy ela akory izay? Isan’ny notantarain’i Faneva Ima tao anatin’ireny moa ny resaka fivarotany fanamiana na «maillot» an’ireo mpilalao malaza tao Frantsa, ny resaka efitra fatoriana tsizarizary nandritry ny fiadiana ny tapakila ho an’izany CAN 2019 izany ny taona 2018, ny fandresen-dahatra ireo mpilalao matihanina maro handrafitra izany Barea izany tamin’ireny fotoana ireny, ny fandaminana disadisa samihafa sy ny maro tsy voatanisa.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT