Sport

Fanodikodinam-bola Nosazian’ny FIFA mafy i Ahmad


  • Talata 24 Novambra 2020

Nosazian’ny Federasionina Iraisam-pirenena momba ny baolina kitra na ny FIFA

 

 

 

tsy ho afaka hisehatra amin’ny tontolon’ny baolina kitra mandritra ny 05 taona ny Filohan’ny Kaonfederasionina Afrikanina (CAF) Ahmad Ahmad Teratany Malagasy, izay nitantana io rafitra io nanomboka ny martsa 2017. Miampy onitra 185 000 Euros ny saziny, araka ny tapaky ny Komitin’ny Etika eo anivon’ny FIFA. Ireo ny didy nilatsaka omaly 23 novambra. Voatondro ho nanao fanodinkodinam-bola, tsy nanao ny asany am-pahitsiana, nizara fanomezana sy tombotsoa tsy ara-drariny tsy araka ny tombotsoan’ny daholobe, nanararao-pahefana,… I Ahmad. Ny volana jona 2019, dia efa nisy ny fisamborana sy fitanana vonjimaika natao azy tany Frantsa noho ahiahy amina kolikoly. Isan’ny voaresaka ihany koa ny fikarakarana fivahinianana masina tany La Mecque ho an’ireo Filohan’ny Federasionina manana finoana silamo, ny fifanarahana tamin’ny mpamokatra fitaovana ara-panatanjahanatena Tactical Steel nanapahana ny fiaraha-miasa tamin’ny PUMA,… Tsara anefa ny mampahatsiahy, fa ny volana martsa 2019, dia I Ahmad mihitsy no niantso ny FIFA hanara-maso ny fitantanana ny CAF teo anatrehan’ny fanenjehana sy adihevitra maro momba ny fitantananany, izay nanozongozona ny fitantanany ny CAF, ary efa somary nisy tetezamita kely notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny FIFA Rtoa Fatma Samoura mihitsy aza. Isan’ny nanenjika mafy an’I Ahmad sy nitory tany amin’ny FIFA ilay Ejiptianina Sekretera Jeneralin’ny CAF teo aloha Amr Fahmy izay nesorina, ka resaka fanomezana “pots-de-vins” ho ana mpitantana maro no ambara fa antony. Notondroina ho nanao fanararaotana ara-nofo tamina mpiasan’ny CAF maro ihany koa i Ahmad.

KANDIDA MBOLA TSARA TOERANA

 Ny 30 novambra izao no tokony hiverina amin’ny toerana maha Filohan’ny CAF azy I Ahmad taorian’ny coronavirus azy, ka voatery nijanona tamin’ny asany, ary ny Filoha Lefitry no nandray ny fitantanana. Mbola kandida amin’ny Fifidianana Filohan’ny CAF tokony hatao ny martsa 2021 anefa I Ahmad, ary Federasionina 46 amin’ny 54 eto Afrika no efa nanao fanambarana ny fanohanana azy. Nisy ny teboka niiba fa ho an’ny lafiny miabo, dia isan’ny nahazoany fanohanana ny fanovana nentiny teo amin’ny tontolon’ny kitra taty Afrika, toy ny fampiakarana ho 24 ny mpandray anjara amin’ny dingana famaranan’ny CAN fa tsy 16 toy ny teo aloha. Teo ihany koa ny fampiakarana ny tohana ara-bola ho an’ireo Federasionina mpikambana ao anatin’ny CAF. Mbola afaka mampiakatra ny raharaha eo anivon’ny “Tribunal arbitral du sport” i Ahmad eo anatrehan’ny fifanolanana goavana eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena tahaka izao, ka dia andrasana ny tohiny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT