Sport

Fankasitrahana noho ny zava-bita Nomena 150 tapitrisa Ar ny Barea CHAN


  • Zoma 17 Febroary 2023

Nitana ny teniny ny Federasionan'ny baolina kitra ka nanome valisoa ho an'ny mpilalaon’ny Barea CHAN sy ny teknisianina, mitentina 150 tapitrisa ariary izany.

Tsy tena fantatra marina moa izay anjaran'ny tsirairay satria ankoatra ireo mpilalao 24 tany Alzeria dia nisy ireo mpangoron-damba sy mpikarakara ny fanamiana ihany koa. Valisoa fanintelony iny omaly iny taorian'ny nomen'ny Telma sy ny Filoham-pirenena.
Andrasana kosa ny fahatongavan'ny vola 500 000 dolara avy any amin'iny CAF satria mangataka ny mangarahara momba izany ireo mpilalao taloha izay efa voafitaka tamin'iny taona 2019 raha nandray 150 tapitrisa ariary tamin'ny vola 400 000 dolara nomen'ny CAF. Aoka mba ho an'ny zandrikely ny vidi-katsembohany hoy ny kapiteny Faneva Ima Andriatsima izay tena niaky tao amin'ny Canal Plus fa mahay noho izy ireo tamin'ny CAN 2019 ry Dax sy ny namany. Notsindrian'ity kapiteny ity moa ny mpilalao sasantsasany toa an'i Rakool, Jean Yves, Nina, Lalaina, Tsiry ary Donga sy Berajo. Fijeriny izay fa ny fanontaniana mialoha ny lalao hihaonan'ny Barea amin'ny Centrafrique dia ny hoe hisy tompon-toerana ve amin'ireo sa dia Bedos sy Ramalingom ihany no ho tompom-baolina. Dupuis ihany io e.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT