Sport

Fanitarana ny fonja Efa mandeha ny asa ao Imerintsiatosika, Fianarantsoa ary Sambava


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

42 no isan’ireo fonja eto Madagasikara ary efa tany amin’ny taona 1960 ireo no niforona.

 

 

 

Efa tsy mifanaraka intsony amin’ny isan’ny mponina eto Madagasikara ny fonja manerana ny nosy satria niisa 7,5 tapitrisa ny mponina tamin’izany fotoana raha toa ka efa  25 tapitrisa ankehitriny. Toy ny valala mifanitsa-kitro ny gadra raha ny zava-misy etsy amin’ny fonjan’Antanimora, hoy i Jean Jacques Randrianasolo, izay minisitry ny fitsarana ka rariny raha hitarina. Efa ao anatin’ny asa fanamboarana moa ireo fonja sasany toa an’i Imerintsiatosika, Fianarantsoa ary Sambava. Maro ireo hamehana ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana no nimasoana nandritra izay herintaona nitantanan’ity minisitra ity ny tontolon’ny fitsarana ary nifototra amin’ny fijerena ny mahaolona sy fanajana ny zon’olombelona, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT