Sport

Fanindrahindrana ny baolina kitra Naneho ny alahelony ireo mpankafy lavalava


  • Talata 07 Septambra 2021

Na dia novaina ho Kianja Barea aza ny anarany dia tsy mampiova ny fanatanjahantena izany fa tonga marobe ny tontolon’ny Rugby ny sabotsy teo tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina nanatrika ny fitokanana izany.

 Na izany aza dia naneho ny alahelony ihany izy ireo satria dia toa niniana nohadinoana fa nametraka tantara teo Mahamasina ny baolina lavalava, hoy ny fanehoan-kevitra. Tsy hilaza isika afa-tsy ny naha tompondakan’i Afrika, na CAN 1B antsika ny taona 2012. Nandray ny CAN isika tamin’ireny. Teo koa ny nandresen’ny Makis ny Springboks n any ekipam-pirenen’i Afrika Atsimo teo Mahamasina. Izany rehetra izany nefa toa niniana nofafana, hoy hatrany ny fanehoan-kevitr’ireo mpankafy baolina lavalava Malagasy. Tsy ireo mpankafy Rugby ihany no malahelo amin’ity fanindrahindrana ny baolina kitra zay tena idiran’ny fanjakana lalina ity fa ireo any amin’ny taranjam-panatanjahantena hafa, kanefa maro any ny atleta manana herijika ho tafita sy ho lasa lavitra; ary efa voaporofo izany satria efa nahazoan’i Madagasikara anaram-boninahitra tompodaka eran-tany ohatra ny Tsipy kanetibe, kick Boxing.Mbola hahafahan’ny Malagasy mamiratra ihany koa ny volley ball, tenisy ambony latabatra, atletisma, lomano raha tsara tohana sy karakara tahaka ny Barea izao, hoy ireo mpankafy fanatanjahantena.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT