Sport

Fanilihana kandida-Ligy Baolina kitra Hiakatra any amin’ny FIFA ny raharaha


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Mihevitra ny hitaraina eo anivon’ny Federasionina iraisam-pirenena momba ny baolina kitra (FIFA) ireo filohan’ny Ligy izay mahatsapa fa nisy tsy rariny sy fanaparam-pahefana nataon’ilay CNE na

vaomieran’ny fifidianana eo anivon’ny federasionin’ny baolina kitra Malagasy. Nivoaka omaly tokoa mantsy ny lisitr’ireo olona azo fidiana ho filohan’ny ligy, nisy ireo voailika avy hatrany. Tafiditra tao,  ohatra, i Giscard Andriano (Vatovavy Fitovinany) izay nambara fa tsy ara-dalàna ny fomba nametrahany ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany. Voailika koa i Mamany Gan (Matsiatra Ambony) satria nolazaina fa tsy ampy ilay « attestation d’activités » ny dosie nateriny. Tsy nekena ihany koa ny filatsahan-kofidian’i Raherisoa ho an’ny ligy Atsimo andrefana satria nolazaina fa tara. Kandida fahefatra voailika noho ny antony mbola manjavozavo ihany koa i Joro, filohan’ny seksionina Tsiroanomandidy ho an’ny ligy Bongolava. Misy ny zavatra maro manjavozavo ka izany no hampiakarana ny raharaha eo anivon’ny FIFA mihitsy, hoy ireto kandida voailika ireto. Amin’izy ireo dia efa tafiditra ao anaty kajy hampandresena kandida iray amin’ny fifidianana filohan’ny federasiona amin’ny martsa 2018 izao fihetsika izao.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT