Faneva Ima, Voavy Paulin, Abel Anicet,…

Hifampitsapa amin’ireo kalaza iraisampirenena hatrizay!


  • Talata 18 Martsa 2025

Ny 26 martsa 2025 izao no fotoana amin’ny antsoina hoe «Match de gala pour la jeunesse»,

izay lalao ara-pirahalahiana goavana eo amin’ny taranja baolina kitra ka hifampitsapa amin’ireo kalazan’ny baolina kitra iraisampirenena hatrizay ireo kintan’ny ekipam-pirenena malagasy nitety vanim-potoana ihany koa na ireo antsoina hoe «All stars Madagascar». Isan’ireo nasaina hoavy, raha ny fampahafantarana nataon’ny federasionina malagasy na FMF, moa ireo kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy teo aloha toa an-dry Faneva Ima sy Abel Anicet. Toy izany koa ireo kintan’ny CAN 2019 hafa toa an-dry Pascalio Razak na Bapasy sy Voavy Paulin. Ho an’ireo mpilalao iraisampirenena vahiny kosa dia nasaina hoavy hilalao amin’io fotoana io ireo kintana frantsay ny taona 1998 sy 2000 toa an-dry Robert Pires sy Christian Karembeu. Eo koa ireo kintana afrikanina nitsahatra vao haingana toa an’ilay kapitenin’i Togo teo aloha, Emmanuel Adébayor, ilay mpanan-talenta tao afovoanin’ny kianja nizerianina, Jay Jay Okocha, ny kintana ivoarianina, Gervinho. Andrasana toy izany koa ireo kintana fahiny nisantatra laza tany Eoropa toa an-dry Alain Giresse, Laura Georges, Florent Sinama-Pongolle, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT