Faneva Ima sy Voavy Paulin

Efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina


  • Zoma 13 Jona 2025

Azo lazaina ho efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina na hoe

Légendes» amin’izao fotoana izao ireo lohalaharan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra teo aloha niatrika ny tompondakan’i Afrika na CAN 2019, Faneva Andriatsima na Faneva Ima sy Voavy Paulin. Nisy moa ny sabotsy teo ny fampihaonana ireo mpilalao nanamarika ny klioba frantsay Clermont foot 63 ho fahatsiarovana ny mpilalao efa nodimandry ny taona 2009, izay nanamarika izany klioba izany koa, Clément Pinault. Lalao ara-pirahalahiana no notontosaina ary nampihaonana ireo naman’i Clément Pinault na «AS Les Amis de Clément Pinault» tamin’ny «Black Stars» na Kintana mainty tsotra izao. Nirava ady sahala 3 noho 3 ny lalao ary ankoatran’ny fahitana ireo malagasy mirahalahy teny an-kianja indray dia isan’ny nanamarika koa ny fahitana ilay kintana guineanina fahiny, Pascal Feindouno, nampiseho ny talentany indray tao anatin’izay lalao izay.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT