Sport

Faneva Ima «Raha Expat no teo tsy nahasahy izao ny FMF»


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Mba omeo hasina ireo Barea nanao Chan 2023, hoy ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra teo aloha, Faneva Andriatsima na Faneva Ima.

Aza miangatra, hoy izy, fa raha mpila ravinahitra no teo tsy nahasahy nanao izao ianareo. Aza manao tsindry hazo lena! Efa nolazainareo fa tsy nisy ilay «prize money» tamin'ny voalohany. Izao indray lazainareo fa FIFA sy CAF no nanome taratasy. Tadidio nefa, raha resy foana aza ry zareo tany amin’ny CHAN 2023, raha sanatria koa ka nody fiodinana voalohany, dia nandray 200.000 Dolara foana ianareo FMF. Noho ny ezaka be nataon-ndry zareo ary ady mafy natao teny ambony kianja nefa dia nahazo 300.000 Dolara amboniny ry zareo mpilalao. Aza mba mifametsifety kosa e! Izahay mpanao baolina na mahantra na mavomavo na avy eny ambany tanana aza mba mendrika ny ho hajaina sy omena hasina fa niady ho an'ny firenena ary nitondra medaly, indrindra, ry zareo ireo. Omeo azy ireo ny anjarany! Ary sahiko ny miteny fa raha «expat» no teo, tsy nisy nahasahy nanao an'izao ianareo FMF, hoy hatrany Rakapy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT