Faneva Ima

"Raha azo atao dia esory ny sariko ao amin'ny kianja Barea!"


  • Alatsinainy 01 Septambra 2025

Ry zandry kely sy ny "staffs" na mpikarakara rehetra, Coach Roro,

tsy misy teny ampy hanehoako ny fankasitrahana, fa misaotra indrindra, hoy ny kapitenin'ny ekipam-pirenena malagasy teo aloha, Faneva Andriatsima na Faneva Ima. Nasehonareo indray ny tena soatoavina malagasy ary mendrika ho reharehan’ny malagasy rehetra ianareo, hoy izy. Afaka miara-misintona sy miara-miaina amin’ny làlana nodiavinareo izahay, satria tena mendrika ianareo. Raha azo atao dia esory ny sariko ao amin’ny kianja Barea fa ny anareo kosa no apetraka eo satria ianareo no tena mendrika izany voninahitra izany! Andao isika hiara-hanome tanana hampandrosoana ny fanatanjahantena malagasy satria fitaovana mahery vaika izy io ho an’ny fampandrosoana sy fampahafantarana ny firenena ary koa mety ahitana tombotsoa ho an’ny tanora sy ny taranaka ho avy amin’ny sehatry ny fanatanjahantena, hoy hatrany izy!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT