Faneva Ima

Nifanakalo traikefa tamin’i Vikash Dhorasoo sy Robert Pires


  • Talata 26 Desambra 2023

Miroso amin’ny lenta avo hatrany ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina

teo aloha na Barea, Faneva Andriatsima na Faneva Ima. Eo amin’ny sehatry ny maha mpanazatra moa no tiana ambara. Nifanakalo traikefa tamin’i Vikash Dhorasoo sy Robert Pires, izay isan’ireo nandrafitra ny ekipam-pirenena frantsay na Les Bleus teo aloha indray ity tekinisianina isan’ny mampiofana ao amin’ny klioba frantsay, Clermont Foot 63, ity ny faran’ny herinandro teo. Nisy koa, araka izany, ny fifampizarana nataon’izy mirahalahy ireo tamin’ireo mpiofana sy mpilalao eo anivon’ity klioba mifaninana amin’ny Ligue 2 ao Frantsa ity. Mbola tsy fotoana mahafeno ny fepetra ahafahako mitantana ny ekipam-pirenena anefa izao, hoy hatrany i Faneva Ima, nampahatsiahy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT