Sport

Faneva Ima Nidera manokana an’i Mamy Gérvais sy Paulin


  • Talata 07 Jona 2022

Nomen’i Faneva Ima Kapitenin’ny Barean’i Madagasikara teo aloha toraka voninkazo manokana ireo mpilalao mirahalahy isan’ny efa tranainy ao anatin’ny Ekipam-pirenena taorian’ny lalao nifanandrinana tamin’i Angola tetsy

 Mahamasina ny alahady 5 jona teo. « Midera manokana an’i Mamy Gervais sy Voavy Paulin tamin’ny lalao izay natao teo fa tena fitaratry ny mpilalao tanora no nasehonareo teo ambony kianja androany, eny fa na dia teny ivelan’ny kianja koa aza hatramin’izay. « Respect » ho anareo roalahy ! Voavy Paulin tohizo foana lesy an», hoy izy. Nambarany fa tsy mbola nandà ireto mpilalao ireto rehefa antsoina, miady mafy eny ambony kianja, tsy mba be teny, tena tia tanindrazana mba ho fitaratr’izo zandrikely rehetra. Tsara ny mampahatsiahy, fa raha naneho ny mpanazatra Nicolas Dupuis tamin’ny valandresaka nialohan’ny lalao fa i Ahmada irery tamin’ireo mpilalao niatrika ny CAN no ho tompon-toerana tamin’ny alahady teo, dia tsy izay no niseho fa nahazo fitokisana feno izy roalahy ireto, ary najoro ho isan’ireo 11 niditra voalohany avy hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT