Sport

Faneva Ima Naka retirety iraisampirenena


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Tao amin’ny tambajotra Twitter no nilazan’ny kapitenin’ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra teo aloha,

 

 

 Faneva Andriatsima na Faneva Ima, fa nanapa-kevitra ny hijanona tsy hilalao intsony ao amin’ny klioba nilalaovany farany teo ao Arabia saodita dia ny Abha Club ny tenany. Azo lazaina fa fahombiazana no niainan-dRakapy tao amin’ity klioba divizionina voalohany arabo ity tao anatin’izay herintaona latsaka kely izay. Tao anatin’ireo lalao miisa 14 niakarany kianja dia miisa 7 ireo baolina tafidiny. Safidy manokana ary nankatoavin’ny Abha Club tamim-panajana moa ity fanapahan-kevitr’i Faneva ity, raha ny fanazavany. Fanapahan-kevitra izay efa midika rahateo ihany koa fa naka retirety amin’ny maha mpilalao kitra iraisampirenena azy ny tenany. Mety hiketrika lalana ho mpanazatra indray ve, ohatra ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT