Sport

Faneva Ima “Mifona amin’ny Malagasy izahay”


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo kapiteny sy ny mpanazatran’ny ekipa roa tonta taorian’ny lalao teny Vontovorona omaly.Hoy indrindra izy ireo:

 

 

 

Mpanazatra sy Kapitenin’i Soudan :

“Tsy dia nampoizina loatra ny fandresena fa dia naharesy izahay aloha ary nampiakatra be ny moralin’ireo mpilalaonay ny nahatafidiranay baolina aloha be iny. Ny anay dia tsy miantso mpila ravinahitra izany fa ireo ekipa roa matanjaka any Soudan no tena mandrafitra ny ekipam-pirenena ka tamin’ity dia ny Al Hilal no nameno an’izany”.

“Efa azo ambara fa anisan’ireo ekipa lehibe aty afrika ankehitriny ny Barea, hoy kosa Naserldin Omer kapiten’i Soudan, matoa tafakatra amin’ny Can ka tsy dia nampoizina ny naharesy azy ireo fa dia faly aloha izahay fa nandresy ny Barea  an-taniny androany”.

 

 

Faneva Ima kapitenin’ny Barea sy René Dupuis :

“Amin’ny maha mpitarika an’ireo mpilalao ahy dia mifona amin’ny Malagasy izahay Barea tamin’ny faharesena azo androany fa tena tehamaina mandrivorivo ho anay iny nefa koa azo hakana lesona hanitsiana ny hatao any Cameroun amin’ny 2019 fa nisy ny lesoka dia ny fihetsiketsehan’ny mpilalao Malagasy samy irery fa efa tafita CAN nefa ny baolina kitra dia fiaraha-mientan’ireo mpilalao eny ambony kianja”

“Izay ny atao hoe : baolina kitra, hoy kosa i René Dupuis, fa tsy maintsy mba  resy koa indraindray. Nilalao ny ekipa tarihako fa tamin’ireo tifitra nataony dia 11 “Cadrés” avokoa fa tsy maty. Aloha loatra ny baolina matin’i Soudan ka nanakorontana toe-tsaina. Hisaorako manokana i Jeremy Morel fa nitondra zavatra betsaka ho an’ny Barea androany ary tena nampiseho ny maha mpilalao diviziona voalohany any Frantsa azy”.

 

Ntsoavina Evariste

Faneva Ima sy René Dupuis teny Vontovorona

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT