Sport

Faneva Ima “Mifandamina ianareo mpitantana”


  • Zoma 08 Oktobra 2021

Nitondra ny heviny tao anatin’ny tambajotran-tserasera manoloana ny voka-dalaon’ny Barea omaly sy ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny kitra Malagasy ny Kapiteny teo aloha Faneva Ima omaly

 taorian’ny lalao nihaonana tamin’I RD Congo. Nahitsy ary tsy nitsitsy ny tenany nanome lesona ny mpitantana. “Miangatra ny Mpitsara ekena, fa ianareo mpitantana aza miady an-trano sy tsy mifanaja, mifampisintona hidina ihany koa…., dia izao no vokany. Tsy ananan’ny olona hasiny intsony isika, mba miangavy re ry zareo mpitantana rehetra alamino dia atambaro ny herinareo rehetra, fa mijaly izahay Mpanohana sy Mpitia Kitra Malagasy, hoy Rakapy Faneva tsy nisorona sady niangavy. Asa mba ho tonga saina amin’izany ve ireto mpitantana toa mandany andro amin’ny fifamotehana sy ny fifanalam-baraka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT