Sport

Faneva Ima Maro mpaniry hanazatra ny Barea


  • Alakamisy 01 Aprily 2021

Tsy mifanalavitra ny tantaran’ny baolina kitra maneran-tany ary mampahatsiahy ny tantaran’ny ekipam-pirenena frantsay fony nanomana sy niatrika ny

 

 fifanintsanan’ny tompondaka eran-tany sy ny dingana famaranana izany ny taona 2006 ny mahita ny zava-misy iainan’ny ekipam-pirenena Malagasy nialoha sy tao anatin’ny taona 2019 hatramin’izao. Nantsoina hiverina handrafitra ny ekipam-pirenena frantsay mba hahatafakatra ny manga tany amin’ny Mondial 2006 tamin’izany fotoana izany ny irakiraka afovoany, mpandrindra lalao, Zinedine Zidane, raha efa naka retirety ny taona 2004. Fahombiazana no vokany satria niatrika ny dingan’ny famaranana ary tafita tamin’ny lalao famaranana mihitsy ary saika tompondaka fanindroany raha tsy lavon’ny Squadra Azzura italianina ny manga. Araka ny famakafakan’ireo mpanao gazety frantsay tamin’izany fotoana dia ity laharana faha 10 ity mihitsy no nanome ny ankapoben’ny toromarika sy ny fandaharana ireo mpilalao teny ambony kianja raha toa ka nijanona teo amin’ny fanaraha-maso no anjaran’ny mpanazatra frantsay, Raymond Domenech. Taty aoriana moa dia io Zidane lasa mpanazatra nahavita be teo amin’ny klioba goavana espaniolina, Real Madrid, io. Maro koa ankehitriny ireo mahita fa lohalaharana tamin’ny angady nananana sy vy nahitana ireo mpilalao nitondra antsika hatrany amin’ny ¼-dalan’ny CAN 2019 I Faneva Andriatsima na Faneva Ima ary efa mendrika ny hipetraka amin’ny toerana maha mpanazatra azy amin’izay amin’izao fotoana izao mba hamerenana, fara faha keliny, ireny fahombiazana tamin’ny tompondakan’i Afrika 2019 ireny. Maro ireo maniry ahita azy ho lasa mpanazatra ny Barea.

 

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT