Sport

Faneva Ima Mandravarava ao Emirats Arabes Unis


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

indray Andro vitsy monja nahatongavany ao amin’ny ekipa misy azy vaovao, Al Hamriyah, ao Emirats arabes unis, dia efa nitondra fandresena ho an’ny ekipany sahady ny kapitenin’ny Barea teo aloha,

 

Faneva Andriantsima na Faneva Ima. Izy no nampiditra ny baolina faharoa izay nampandresy azy ireo 2 noho 1 nanoloana ny Dibba Al-Hisn Sports Club ny zoma teo ao anatin’ny amboaran’ny filoham-pirenena ao an-toerana, andro voalohany. Isan’ireo mandray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena UAE Division One ao an-toerana ihany koa moa ny Al Hamriyah. 36 taona ankehitriny i Rakapy saingy hatreto aloha izany dia mbola tsy miheritreritra ny haka retirety ara-panatanjahantena mihitsy ity kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra teo aloha ity.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT