Sport

Faneva Ima, 67 City FC, STOI Namboly zanakazo miisa 4000 teny Behenjy


  • Alatsinainy 27 Febroary 2023

Zanakazo miisa 4000 no novolen’ny vondron’orinasa STOI na “Société traiding de l’océan indien” tamina alalina 1 metatra teny Anjanamasoandro, kaominin’ambanivohitr’i Behenjy,

faritr’i Vakinankaratra, ny sabotsy teo. Tsy maintsy hajaina izay halalina izay, hoy ny filoha tale jeneralin’izy ireo, Tovonanahary Rabetsitonta. Nasiana zezika taroka izay vokarina eto an-toerana sy tena mahomby izany avy eo, hoy izy. Zanakazo isan-karazany toy ny Polognia, izay misy 50 santimetatra ny haavony. Misy ny voamboana, ravintsara, akasia, hazo fihinam-boa maron-karazana. Efa misy mpiasa 4 mirahalahy eo manao andrimaso ity toerana ity sy mikarakara ireo voly. Misy tanimbary manodidina eto izay volinay ary misy koa volin’ireo tantsaha satria azy ny tany ary maimaipoana ny loharano ampiasaina manondraka ireo voly. 200ha eo midina any no tanimbary voatondraka avy amin’ilay loharano no ipoiran’ilay rano rehefa natao ny fambolen-kazo. Rehefa vita ny fambolem-bary dia misy ny voly avotra. Izay no nataon’ny tantsaha tao dia tonga taty ny mpanome masomboly hanaovana “cornichon” sy tsaramaso maitso izay haondrana any ivelany dia mahazo tombontsoa amin’izay voly avotra izay koa ny tantsaha. Ny faritr’I Vakinankaratra no isaorana betsaka nanome zanakazo miisa 3000 teo maimaimpoana avy any Antsirabe. Ny Polognia no izahay no nividy azy. 45 taona no efa natomboka ny fambolen-kazo teto. 30 taona lasa kosa no nipoiran’ilay loharano. 15 taona nisesy namboly hazo izany vao nipoitra ilay loharano, hoy hatrany ny tenany. Ankoatran’izay, hoy kosa ny tomponandraikitry ny serasera, Tahiana Razanamahefa, dia nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny tanora, indrindra, eo amin’ny lafiny fanatanjahantena izahay. Izay, hoy izy, no tena antony hahatongavan’ny filoha mpanorina ny 67 City FC, Faneva Andriatsima na Faneva Ima, eto satria iarahanay misehatra ny fitaizana ny tanora ao anatin’izany sehatry ny baolina kitra izany amin’ny maha mpanohana ofisialy ity klioba ity ny banky malagasy NIM sy ny Havana resort. Miisa 100 eo ireo mpilalaon’ny klioba tonga namboly hazo eto raha 500 kosa no totalinay rehetra, hoy hatrany ny tenany, ho adidinay amin’ny tanindrazana ihany koa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT