Sport

Faneva Ima 1,5 miliara ariary no nakan’i Le Havre Athletic Club azy


  • Sabotsy 27 Janoary 2018

Mamiratra sy misongadina, ary tsy very lalana ny Malagasy mpilalao baolina kitra mila ravinahitra any ivelany ankehitriny.

Taorian’ny adihevitra sy olana isan-karazany nahazo ny kapitenin’ny Barean’i Madagasikara Faneva Andriantsima na Faneva Ima tao amin’ny Klioban’ny FC Sochaux-Montbéliard, divizionina faharoa Frantsay, dia nilamina sy mazava ihany ny hoavin’ity mpilalao Malagasy 33 taona ity. Tontosa soa aman-tsara ny fifindrany any amin’ny Kliban’ny Le Havre Athletic Club, divizionina faharoa Frantsay ihany, ka 400 000 euros na  1 596 000 000 ariary no sarany ary herintaona sy tapany no hilalaovany ao. Laharana faha-5 ao anatin’ny divizionina faharoa any Frantsa ny Le Havre amin’izao, ary mety ho tafakatra ao anatin’ny “Ligue 1” raha miakatra ny filaharana. Taom-pilalaovana iray sy tapany no vitan’i Faneva Ima tao amin’ny FC Sochaux-Montébeliard, ary namiratra tokoa izy, indrindra tamin’ny taom-pilalaovana voalohany, anisan’ny mpamono baolina be indrindra. Nisy anefa taty aoriana ny fanovan’ny mpanazatra ny taktikan’ny ekipa, ka toa nohamaivanina tanteraka i Faneva Ima. Baolina miisa 16 no matiny ho an’ny FC Sochaux tao anatin’ny lalao 47 nataony. Dingana maro no efa nolalovany teo amin’ny sehatry ny baolina kitra na teto an-tanindrazana na tany ivelany, izay tsiahivina fa ny Klioban’ny kaominina Antananarivo Renivohitra na ny Uscafoot no namolavolavola azy tamin’izany, ary tsy hadinony hatramin’izao, ka vao tsy ela akory izy no no nitondra fanampiana ho an’ity kliobany fahiny ity. Klioba maro tany Frantsa kosa no nilalaovany ary namiratra hatrany izy :

FC Nantes (2007/2009), AS Cannes (2008), US Boulogne (2008/2009), Amiens SC (2009/2010), AS Beauvais (2010/12), US Créteil-Lusitanos  (2012-2016), ary ny FC Sochaux kosa taorian’izao hilalaovany ao amin’ny Havre Athletic Club izao.

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT