Sport

Faneva Andriatsima Malaina hiala ao Frantsa


  • Zoma 09 Aogositra 2019

Taorian'ny fahataperan'ny fifanarahany tao amin’ny Clermont Foot 63 dia mbola mitady izay klioba handray azy indray ny kapitenin'ny Barea,

 

 

 Faneva Ima na Faneva Andriatsima. Maniry haka ity lohalaharan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra ity ny ekipa divizionina voalohany ao La Reunion, As Excelsior. Efa nanambara anefa izy fa malaina ny hiala ao Frantsa na dia mbola mieritreritra ny hilalao 2 taona eo aza. Ankoatra ny taona izay efa mananika ny faha 35 dia heverin’ireo teknisianina fa sakana ho azy koa anefa izy mifidy rafi-dalao na “système de jeu” mirona kokoa amin’ny rafitra 4-2-3-1 na 4-5-1 noho izy "Attaquant pivot". Endrika tsara ho azy kosa ny fahombiazan'ny Barea izay tonga hatrany amin'ny ampahahefa-dalan'ny CAN 2019 natao tatsy Ejipta farany teo. Tokony hanana klioba anefa izy mialoha ny volana novambra, izay hiatombohan’ny fifanintsanana ho amin’ny CAN 2021.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT