Sport

Fanenjehana an’i Ahmad Kajikajy amin’ny fifidianana flohan’ny CAF ?


  • Talata 24 Novambra 2020

Ilay teratany Congolais Constant Omari, izay efa nandray ny fitantanana

 

 

 

vonjimaika ny CAF nanomboka ny 13 novambra no notendren’ny FIFA hanohy ny fitantanana io rafitra Afrikanina momba ny baolina kitra io taorian’ny sazy nilatsaka ho an’i Ahmad. Nialohan’izao mantsy dia tratry ny Covid 19 ny Filohan’ny CAF, ary tsy maintsy nitsabo tena sy niala sasatra, ka ny 30 novambra izao no tokony hiverina amin’ny toerany. Mbola afaka mampiakatra any amin’ny TAS (Tribunal Arbitral du Sport) i Ahmad, saingy tandindonin-doza foana hatreto ny mbola firotsahany ho Filohan’ny CAF. Nilaza kosa ny mpanao gazety Ivorianina eo anivon’ny CAF Mamadou Gaye eo anatrehan’io toe-draharaha io hoe: “Manao tsinontsinona ny Filoha Ahmad sady manompa ny Kaontinanta Afrikanina iray manontolo ho mpanao kolikoly i Infantino Filohan’ny Fifa sy Fatma Samoura Sekretera jeneraly”. Nisy ny tsy nety tamin’ny fitantanana ny CAF, fa ahiana ihany koa ny tetika maloto amin’ny fifidianana izay ho filoha amin’ny 12 martsa, ka noho i Ahmad mbola tsara toerana noho ny fanohanan’ny federasionina maro an’isa azy, dia tsy maintsy nopotehina. Efa tratry ny fanenjehana mivaivay tahaka izao ny Filohan’ny UEFA Michel Platini tamin’ny fotoan’androny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT