Sport

Fandresen’ny Barea Korana nanerana ny nosy


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Ampoky ny hafaliana i Madagasikara iray manontolo. Nahoraka ny tanàna, indrindra tamin’ireo tanàn-dehibe taorian’ny fandresena miezinezina vitan’ny ekipam-pirenena Malagasy na ny Barean’i Madagasikara.

 

 

 

 Horakoraka eraky ny tanàna no re teto Antananarivo, ary mbola nisy fanapoahana afomanga aza tamina toerana sasantsasany, tao koa ny fanapoahana sarom-bilany. Resintsika 2-0 ny Super Eagles Nizerianina, izay sokajiana ho isan’ny “favori” ao anatin’izao CAN 2019 izao. Isika Malagasy irery no afaka nandavo azy ireo tao anatin’ny vondrona B, izay mametraka antsika ho laharana voalohany ao anatin’ny vondrona, ka tafiakatra any amin’ny dingana ampahavalon-dalana. Ny laharana faha-3 mendrika avy amin’ny Vondrona A na C na D no hifandona amintsika. Sambany teo amin’ny tantara isika no mandray anjara, saingy efa tena nanoratra sy manoratra tantara amin’izao CAN 2019 uzao. Fandresena sy fahombiazan’ny Firenena Malagasy manontolo sy mametraka antsika ho tsy azo tsinontsinoavina eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra eto Afrika izao, hany ka saika miresaka momba ny Barean’i Madagasikara ny vaovao ara-panatanjahantena maneran-tany amin’izao fotoana izao. Hahafahantsika miroso amin’ny dingana tsara hatrany izao ka ny hirariana dia hahomby hatramin’ny farany ny Barea.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT